Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-3

1 Aoka ho fantatrao fa any aoriana any, dia hisy andro sarotra;

2 fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka, 3 tsy manam-pitiavana, tsy azo havanina, mpanendrikendrika, tsy mahonon-tena, lozabe, tsy tia ny tsara fanahy, 4 mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan'ny nofo mihoatra noho Andriamanitra, 5 ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro. 6 Fa anisan'izany ireo mitsofoka any an-tranon'ny sasany mambabo vehivavy adala vesaran'ny ota sy tarihin'ny filana maro, 7 ary mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina na oviana na oviana. 8 Tahaka ny nanoheran'i Janesy sy Jambresy an'i Moizy no anoheran'ireo koa ny fahamarinana, dia olona ratsy fanahy sy melo-pinoana, 9 kanefa tsy handroso intsony izy, fa hiharihary amin'ny olona rehetra tahaka ny azy roa lahy ireo koa ny hadalany. 10 Fa hianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny kendreko, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,

11 ny fanenjehana sy ny fahoriana nanjo ahy, toy ny tany Antiokia sy tany Ikonioma ary tany Listra; niaritra fanenjehana tokoa aho, fa nanafaka ahy hatrany ny Tompo. 12 Dia hita fa izay rehetra te-ho velona araka an'Andriamanitra ao amin'ny Kristy Jesoa dia henjehina, 13 fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina. 14 Ary hianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy azonao antoka, fa fantatrao ilay nampianatra anao,

15 sady hatry ny fony mbola zaza hianao no efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin'ny famonjena noho ny finoana ny Kristy Jesoa. 16 Satria ny Soratra rehetra avy amin'ny fanilovan'Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin'ny fahamarinana, 17 mba hahalavorary ny olon'Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin'ny asa soa rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1756